Covid Organics : nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany

0

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy androany tetsy amin’ny foiben’ny IMRA na ny Institut Malgache de Recherche Appliquer etsy Avarabohitra Itaosy ilay fanafody « Covid Organics » entina hitsaboana ny valan’aretina Coronavirus eto Madagasikara. Nanatrika izany tany an-toerana ny filohampirenena Rajoelina Andry, notronin’ireo olo manan-kaja maro. Hozaraina mamaim-poana ho an’ny vahoaka Malagasy ity fanafody ity ho entina hiarovana ny vahoaka Malagasy.