CRAAD-OI : « miaro ny mpitrandraka vahiny fa tsy miaro ny tontolo iainana ny O.N.E »

0

Miaro ny mpitrandraka vahiny fa tsy miaro ny tontolo iainana sy ny vahoaka malagasy ny Office National pour l’Environnement, hoy ny fanambarana nataon’ny fiarahamonim-pirenena Craad-oi. Porofon’izany hoy izy ireo ny fitrangan’ireo olana ara-pitrandrahana maro manerana an’i Madagasikara.