CUA : mitohy ny fanorenana tsena tsy ara-dalàna

0

Tsena vy ahitana box 160 indray no atsangan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra am-boletra etsy amin’ny fokontany LALAMBY ANOSIBE. Fikambanana tsy miankina antsoina hoe « MANAMPy » no nomen’izy ireo hitantana izany. Tsy fantatra mazava ankilany na ny fifanarahana na ny fepetra samihafa ahazoana ny tsena.