CUA: tsy manaja ny fifanarahana tamin’ireo mpivarotra

0

Mivoaka tsikelikely ny fifanarahana ambadika nataon’ny kominina Antananarivo renivohitra tamin’ireo mpivarotra manamorona ny trottroir eo an-dohan’Analakely izay tafiditra anatin’ny trano vy na box mena ankehitriny. Raha toa ka efa nifanaraka izy ireo teo aloha, tadiavin’ny kominina esorina avokoa ireo mpivarotra ireo ankehitriny. Ireto farany izay mitsipaka io fanapahan-kevitra io.