Déchets Radioactifs : tsy atahorana hisy fiantraikany, hoy ny avy ao amin’ny INSTN

0

Ny lalàna iraisam-pirenena no mametraka ny tokony hisian’ny foiben-toerana fanangonana déchets radioactifs ho an’ny firenena rehetra izay mikirakira ny radioactivité ka hiaraha-miasa amin’ny AIEA na Agence Internationale de l’Energie nucléaires. Tsy hisy ahiana ny fiantraikan’io amin’ny maha déchets azy ary hisy ny fanaraha-maso akaiky hoy ny eo anivon’ny INSTN na Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires Madagasikara.