« DEL » : maro ireo kaominina nahazo vokatra azo tsapain-tanana

0

Kaominina miisa 50 amin’ny faritra 3 eto Madagasikara no nanatanterahana ny tetikasa DEL na ny Developpement Economique Local nandritra ny 2 taona sy tapany. Fametrahana fampandrosoana ara-toekarena ifotony, izany hoe miainga amin’ny kaominina no tanjona amin’izany. Nahomby ny tetikasa raha ny tatitra natao androany ary maro ireo kaominina nahazo vokatra azo tsapain-tanana.