« Dialogue politique » Madagascar-UE : tontosa androany ny andiany faha-7

0

Tontosa androany teny amin’ny lapan’Iavoloha ny andiany faha-7 amin’ny « Dialogue politique » ifanaovan’i Madagasikara sy ny Vondrona Eropeana. Loha-hevitra miisa 6 no nodinihina tamin’ity andiany faha-7 ity. Samy naneho ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana ny maha olona sy ny toekarena eto Madagasikara ny roa tonta taorian’ny dinika.