Didier RATSIRAKA : feno olona hanao veloma farany azy ny lalana rehetra

0

Tomefy olona, hanao veloma farany ny Filoha teo aloha Didier RATSIRAKA, ny lalana rehetra nolalovany androany, niala teny amin’ny Hopital Militaire Soavinandriana hihazo an’Iavoloha ary niala teny Iavoloha hihazo an’i Mausolée toerana hametrahana ny vata-mangatsiakany. Mendrika azy ny fanotronana tahaka izao noho izy nahavita be teto amin’ny Firenena.