Drakaka tsy ara-dalàna : fiara 3 no saron’ny zandary.

0

Fiara 3 avy any Mahajanga sy Ambanja ary Antsohihy no saron’ny zandary nitondra Drakaka tsy ara-dalàna ny faran’ny herinandro teo. Drakaka latsaky ny habe 11 cm, fetra farany ambany omen’ny lalàna ireo sarona ireo. Manenjika « Quotas » ho an’ny taom-baovao Sinoa ny 04 sy 05 febroary 2019 ho avy izao izy ireo ka maka ireo Drakaka tsy ampy refy raha ny loharanom-baovao azo.