Edito

0

Zarina toloram-potsiny ny Malagasy. Fetibe no natao nanolarana ilay « Kits scolaires » ho an’ny mpianatra ny Alarobia lasa teo. Io andro io ihany, nolanian’ireo solombavambahoaka miisa 75 tsy nasiana adihevitra teny Tsimbazaza ora iray latsaka ny volavolan-dalana hifehy ny fitantanam-bolam-panjakana amin’ny taona 2018. Fanambaniana sy fanabadoana ny Malagasy, io indray no endrim-pitantanana hitan’ny mpitondra hitondrana ny firenena, rehefa tsy manana politika sy vina ho entina hampandrosoana ny toekarem-pirenena izy ireo.