EDITO

0

Faritra mena i Madagasikara iray manontolo. Tsy andro tsy alina, tsy andrenivohitra, tsy ambanivohitra, manjaka ny jiolahy sy ny dahalo. Ny manam-pahefana ihany sisa no afaka miaina am-pilamiana, ny ambiny kosa, na manam-bola na tsy manana, mandry an-driran’antsy.