EDITO

0

Kajikajy politika ho fanomanana ny fifidianana Filohampirenena amin’ny taona 2018, ny zava-nitranga tao amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona ka nametrahana ny filohan’ny Antoko HVM RAKOTOAVAO Rivo ho Filohan’ity Andrimpanjakana ity, na dia tsy mifanaraka amin’ny lalàna aza. Tsy diso ny fanadihadiana taorian’ny fihaonan’ny mpanao gazety tamin’ny Filohampirenena ny faha-16 septambra lasa teo teny amin’ny Lapàn’Iavoloha fa ho kandidà amin’ny fifidianana Filohampirenena amin’ny taona 2018 i RAJAONARIMAMPIANINA Hery, Filoha amperinasa.