EDITO du 02 novembre 2019

0

Fotoan’ny fanovàna tokoa izao. Fotoanan’ny fanarenana ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka amin’ny lafiny maro. Iàlana ary tsy ekena intsony ny fitantanana tsy mahomby, ny fanjakana tsy tan-dalàna, ny fisian’ny tsimatimanota, ny fanaovana kolikoly amin’ny endriny rehetra, ny fanaovana kiantranoantrano amin’ny fitantanana ny firenena, ny firaisana tsikombakomba amin’ny asam-panjakana, ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Firenana vaovao mendrika ny vanim-potoana ankehitriny no tiana hajoro.