Edito du 15 juin 2019

0

Endriky ny fampiarana ny demokrasia voalohany indrindra ny fanatontosana fifidianana amin’ny firenena mampiatra ny demokrasia. Isan’ireo firenena mampiatra ny demokrasia isika eto Madagasikara. Fampindram-pahefana omen’ny vahoaka ireo olona izay omeny ny fitokisany hitantana sy handrindra ny raharaham-panjakan’ny firenen’ny firenena iombonana ihany koa ny fifidianana. Mariky ny fifandimbiasam-pahefana mitondra fitoniana sy fampandrosoana ho an’ny firenena ny fahatontosan’ny fifidianana.