Edito du 16 nov

0

Fiaraha-mientana, firaisam-po, firaisankina ireo no takiana amin’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka amin’izao vanim-potoana lalovan’ny firenena izao. Ny mitabe tsy lanin’ny mamba, ny akanga maro tsy vakin’amboa, ny tondro tokana tsy mahazo hao. Ohabolana maneho ny fahendren’ny Malagasy fahiny izany, fa tsy hiteraka tombotsoa velively eo anivon’ny fiaraha-monina ny fitsitokotokoana. Ekena, tsy voatery hitovy avokoa ny hevitra fa rehefa hambom-pom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana no kitihina, mila mijoro isika Malagasy fa iray tsy azo vakiana na zarazaraina.