Edito du 23 Novembre

0

Telo andro sisa dia hifidy ireo ho Ben’ny Tanàna sy izay ho mpanolontsain’ny Tanàna ny olompirenena feno 18 taona voasoratra ao anaty lisi-pifidianana. Fifidianana izay ambara foana fa fifidianana tena manakaiky vahoaka satria fifidianana ifotony. Noho izany, zava-dehibe ny fandehanana mifidy izay olona hita sy tsapa fa afaka hitondra fanovàna sy fampandrosoana marina ny Kaominina, fa ampy izay ny fisiana Ben’ny Tanàna manilika andraikitra amin’ny hafa rehefa tsy mahavita azy.