Edito du 3 avril 2018

0

Volana vitsivitsy mialohan’ny hanatanterahana fifidianana, miroso hatrany amin’ny fametrahana ny fanjakana jadona eto amin’ny firenena ny fitondrana HVM. Rehefa hita mazava ny tsy fankasitrahan’ny vahoaka ny mpitondra ankehitriny, na amin’ny alalan’ireo solombavambahoaka, na amin’ny alalan’ny famoriam-bahoaka ataon’ny mpitondra, famerana ireo mpifananadrina ara-politika amin’izy ireo tsy hihaona amin’ny vahoaka mpanara-dia azy tsirairay indray no ilofosan’ny mpitondra mafy.