EDITO du novembre 2018

0

Any amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana avokoa ankehitriny no mifantoka ny mason’ny Malagasy. Fitsarana izay endriky ny fiandrianam-pirenena sy hany fitsarana tokana araka ny Lalàmpanorenana afaka mitsara sy mamoaka vokatra ofisialy ny fifidianana Filohampirenena eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara. Hitovy amin’ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI ve ny vokatra havoakan’ny HCC amin’ny Alarobia ho avy izao, ka hisy ny fifidianana Filohampirenena fihodinana faharoa? Hanao ahoana ny fifampiandanian’ireo samy kandidà raha hisy izany? Fanontaniana mbola ny ampitso avokoa no hamaly izany.