EDITO

0

Ora roa sy sasany monja no nandanian’ny solombavambahoaka miisa 73 ny volavolan-dalàm-panitsiana ny teti-bolam-panjakana amin’ity taona 2017 ity. 12 ora mialoha ny fotoam-pivoriana handaniana ilay volavolan-dalàna 600 pejy mahery, vao nozaraina tamin’ireo solombavambahoaka ihany koa ny antontan-taratasy mirakitra ity volavolan-dalàna nasiam-panitsiana ny teti-bolam-panjakana ity. Kitoatoa toa izany no endri-mpitantanana ny firenena ataon’ny mpitondra ankehitriny. Azo itarafana tsara ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fanaovana gaboraraka ny volam-bahoaka ary fikatsahana tombotsoa manokana iny fandaniana tsy nasiam-panitsiana ny LFR 2017 iny.