Emmanuel MACRON sy Donald TRUMP : niarahaba ny Filohan’ny Repoblika sy ny vahoaka Malagasy

0

Nandefa taratasy fiarahabana ho an’ny filohan’ny repoblika sy ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo ny filoha Frantsay, Emmanuel MACRON, sy ny Filoha Amerikana Donald Trump amin’izao fankalazana ny faha-59 taona niverenan’ny fahaleovan-tena izao. Nanamafy ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena Amerikana sy Frantsay ireto farany, araka ny taratasy nalefan’izy ireo.