Fadintseranana : ahiana hitohy hatramin’ny herinandro ny fitokonana

0

Nanomboka omaly ary hitohy androany ny fitokonan’ireo mpiasan’ny fadintseranana. Hitohy hatramin’ny herinandro anefa izany raha toa ka tsy misy ny vahaolana omen’ny fanjakana raha ny fanazavan’ny filohan’ny sendikan’ny mpiasan’ny Douanes androany. Hatreto, tsy misy ny marimaritra iraisana eo amin’ny roa tonta.