FAHARATSIN-DALANA RN2: hanatanteraka fitokonana fanairana ireo mpitatitra entana

0

Hanatanteraka fitokonana manomboka ny 15 janoary ho avy izao ireo mpitatitra entana amin’ny fiara vaventy mampitohy amin’Antananarivo amin’ny Toamasina. Fitokonana natao hanairana ireo tompon’andraikitra manoloana ny faharatsin-dalana amin’iny lalam-pirenena faharoa iny sy ny olana samihafa sedrain’ireo mpitatitra.