Fahazoan-dalana mitrandraka harena an-kibon’ny tany : havoaka miandalana

0

Haverina hosokafana tsy ho ela ny fahazoan-dalana mitrandraka harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Ho hentitra ankilany ny fepetra takiany amin’ny mpitrandraka manombok’izao, indrindra amin’ny fanarahana ny bokin’andraikitra sy ny fanarahamaso ny tamberin’andraikitry ny fitrandrahana.