Famahana ny olan’ny mpitsara eto Madagasikara : miandry ny fanekena avy amin’ireo mpitsara

0

Tsy mbola mivoaka ny votoatin’ny fifanakalozana teo amin’ireo komity misahana ny fitakiana nataon’ny mpitsara eto Madagasikara. Soso-kevitra maro avy amin’ireo mpitsara araka izany no andrasana ho raiketina anatin’ny fifanekena eo amin’ny fitondrana sy ny mpitsara. Isan’ny andraikitra lehibe miandry ny mpitsara ihany koa ny ady amin’ny kolikoly eny anivon’ny fitsarana.