Fameran’ny fiadidianan’ny Repoblika ny vola amin’ny fifidianana : marika fa tsy mahaleotena ny Ceni

0

Nampidinin’ny Fiadidianan’ny repoblika hatramin’ny 50% ny vola hampiasain’ny Ceni hanatanterahana fifidianana eto amin’ny firenena. Voaporofo izao fa tsy mahaleotena ny Ceni hoy ireo mpanao politika fa baikon’ny fahefana mpanatanteraka. Mampiahiahy ihany koa ny fahafahana manatontosa ny fifidianana araka ny tokony ho izy amin’io fihenan’ny vola ampiasain’ny Ceni io.