Famoahana ny lalàm-pifidianana hanankery: Hiteraka krizy aloha, mandritra sy aorian’ny fifidianana.

0

Tsy azo ihodivirana ny hisian’ny krizy mandritra sy aorian’ny fifidianana amin’ity taona ity hoy ny mpahay lalàna manoloana ny namoahan’ny filohampirenena fa manankery ny lalàmpifidianana. Ankilany, miantso amin’ny fanajana lalampanorenanana ny praiminisitra raha toa ka fandikan-dalàna no hita tamin’ny fitantanana raharahampirenena tato anatin’ny efatra taona.