Famolavolana ny lalàm-pifidianana : tsy tokony hisy ho voahilika ireo mpisehatra hoy ny KMF-CNOE

0

Tsy tokony hisy ho voahilika amin’ny famolavolana ny lalàna hifehy ny fifidianana ireo mpisehatra rehetra araka ny fanehoan-kevitry ny KMF-CNOE na ny komity mpanara-maso ny fifidianana. Tokony ho raisina ihany koa ireo soso-kevitra ho fanatsarana izany lalàna mifehy ny fifidianana izany mba hisorohana ny mety ho korontana aorian’ny fifidianana. Ho an’ity firaisamonim-pirenena ity, ny lafiny kara-pifidianana no tokony ho jerena akaiky amin’izao vanim-potoana manakaiky ny fifidianana izao.