Fampandrosoana ny firenena : ilaina ny firaisankinan’ny Malagasy

0

Zava-dehibe ny firaisankina ny rehetra amin’ny fanamarihana ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara raha ny fanehoankevitr’ireo tomponandraikitra samy hafa eto amin’ny firenena tonga nanotrona ny matso tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina androany. Isan’izany ireo praminisitra teo aloha, ny avy amin’ny FFKM ary ny Mpandrindra Nasionaly ny antoko HVM.