Fampiakarana karama : 13% ho an’ny mpiasam-panjakana

0

13% ny fampiakarana karama ho an’ny mpiasam-panjakana ary hihatra manomboka ity volana janoary 2020 ity izany hoy ny filohan’ny Repoblika nandritra ny kabary fiarahabana sy firariantsoa ho an’ny vahoaka Malagasy. Ankoatra izay, foto-drafitr’asam-pampandrosoana maro no efa vita, tsy vitsy ihany koa ireo efa natomboka ary be ireo miandry amin’ity taona vaovao ity hoy ny filoha, entina hampandrosoana an’i Madagasikara.