Fampodiana teratany Malagasy : tonga androany ny andiany voalohany avy any Eoropa

0

Tonga androany ny andiany voalohany amin’ireo teratany Malagasy tavela tany Eoropa. Nisy tamin’ireo mpandeha no tsy nahafeno ny fepetra ka nahemotra ny dian’izy ireo hoy ny tomponandraikitra. Araka izany mpandeha 240 tamin’ireo 273 nisoratra anarana no tonga.