Fanadiovana lakandrano : tsy manao ny asany ny CUA

0

Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fanadiovana ny lakandrano C3 etsy Ambodin’Isotry. Raha mivangongo ny fako ary manentsina ny lakandrano, tsy hita taratra ny fandraisan’andraikitra ny kaominina hatrizay, hoy ireo mponina. Ankoatran’ny asa nataon’ny SOGEA farany teo, tsipaipaika ny mponina miampy ny RF2 arak’izany no niantoka ny fanadiovana.