Accueil Société Fanafihana mpitondra moto : avoahy ny marina hoy ireo mponina ao Ambodivonikely

Fanafihana mpitondra moto : avoahy ny marina hoy ireo mponina ao Ambodivonikely

0
Fanafihana mpitondra moto : avoahy ny marina hoy ireo mponina ao Ambodivonikely

Taorian’ny famoahan’ny Polisy sy ny gazety an-tsoratra ny fahatratrarana olona telo mirahalahy voalaza fa tompon’antoka tamin’ny fanafihana moto teny Ambohimanarina, nilanja sora-baventy ny mponina ary nilaza fa vaovao tsy marina no navoaka. Angatahan’ireo mponina sy ny fianakavian’ireo voasambotra ny hanaovana fanadihadiana lalina ka hamoahana ny marina rehetra mialohan’ny hanasaziana izay meloka.