Fanakorontanana : nampitandrina ny fianakaviamben’ny mpitandro ny filaminana 

0

Mbola mitohy ny fanakorontanana sy ny tetika maloto ataon’ireo kandidà tsy manaiky mazava ny safidim-bahoaka nandritra ny fifidianana. Nisy tamin’ny farany herinandro iny ny fitokonana nataon’ny mpomba azy ireo manoloana ny foiben-toeran’ny CENI Alarobia. Namafisin’ny fianakaviamben’ny mpitandro ny filaminana ankilany, fa tsy azo handeferina intsony ny fanakorontanana samihafa.