Fanamboaran-dalana : mitohy ny asa

0

Hanomboka rahampitso ny asa fanamboarana ny lalana eo amin’ny sampanana Andranonahoatra. Efa nisy ny fandaminana napetraka amin’ireo tompon’ny trano sy tompon’ny tany voakasiky ny tetikasa araka ny nambaran’ny tomponandraikitra teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, taorian’ny fitsidihana natao teny an-toerana androany .