Fanamboarana ny lalana : mandeha mian-dalana ny fanatratrarana ny tanjona

0

Isany nibahana tamin’ny fihaonana teo amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo solombavambahoaka erak’i Madagasikara omaly ny mikasika ny lalana eto Madagasikara. Nitondra fanazavana manoloana izay ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy nandritra io. Nambarany fa mazava ny politikam-panjakana mikasika ny lalana ary miankina amin’ny ara-bola sy ny lafiny teknika ary ny fizarana andraikitra ny fanantontosana izany.