Fanaovana tahona Brochettes : mamelona ankohonana iray ao Toamasina

0

Manavotra fianakaviana maro ny asa fanamboarana tahona brochette any toamasina any fa saingy ahiana ny nety hahalany tamingana ny volobe na ny bambou izay akora fototra ampiasain’ny mpamokatra noho ny fisian’ny dorotanety sy ny fandripahana ny ala misesisey tato ho ato izay. Mivelona amin’ny fanaovana tahona Brochette i Christian mianakavy. Ny mahakasika ny asany indray no entina aminao ato anatin’ity fanadihadiana manaraka ity.