Fanaovana Vaksiny : tsy tokony ho sakana ny lafiny toekarena sy ara-bola

0

Teboka maro no nisongadina ka niadian’i Madagasikara mafy nandritry ny filankevitry ny minisitra  sy ny Fivoriam-be tsy ara-potoan’ny SADC izay natao tany Maputo, Moambique ka nandraisantsika anjara. Isan’izany ny mahakasika ny COVID-19, ny Vaksiny, ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo, ny famatsiana sy ny fampiasam-bola eto amintsika.