Fandalovan’ny rivodoza ENAWO : 1,5 Miliara Ariary natolotry ny Vondrona Eropeana.

0

Vola mitentina 1,5 Miliara Ariary no natolotry ny Vondrona Eropeana hanampiana an’i Madagasikara taorian’ny fandalovan’ny rivodoza ENAWO farany teo. Tetikasa 5 misehatra amin’ny fanarenana ireo faritra nahitana fahasimbana sy traboina no nahazo ny famatsiana ary notanterahina omaly ny fanaovana soniam-piaraha-miasa.