Fandraisana ny mpizaika : nilamina amin’ny ankapobeny

0

Efa saika tonga avokoa ireo mpino an’arivony avy amin’ny diosezy miisa 21, avy amin’ny faritra hanotrona ny lamesa lehibe iarahana amin’i Pape Francois eny amin’ny kianjan’i Soamandrakizay. Nilamina ny fandraisana sy ny fandaminana hatreto ary efa voahomana ihany koa ny toe-panahy amin’izany, hoy ireo mpizaika nanaovana fanadihadiana.