Fandraisana ny Pape François : hatomboka amin’ny herinandro ny fanomanana ny toerana.

0

Hatomboka amin’ny herinandro ny fanomanana ny toerana handraisana ny Pape François amin’ny lamesa lehibe izay ho tarihiny ny faha 8 ny volana septambra ho avy izao. Nidina nijery ifotony ny toerana ny filohan’ny repoblika sy ny teo anivon’ny fiangonana katolika izay tarihin’ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, arsevekan’Antananarivo.