Fanekena ny voka-pifidianana ofisialy : tsy namaly mazava ny kandida laharana faha-25

0

Saika niompana tamin’ny resaka fifidianana filohampirenena notontosaina farany teo sy ny mikasika ny fitondrana manaraka eo avokoa ny fanehoan-kevitr’ireo nanatrika ny fifampiarahabana ny fahatratrarana ny taona vaovao teny Iavoloha androany. Tsy namaly mazava ankilany ny kandida Marc Ravalomanana rehefa nanontanian’ny mpanao gazety raha toa ka hanaiky tahaky ny nambarany tamin’ny voalohany, ny voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC.