Fanitarana ny Port Ankify : tsy mbola milamina ny disadisa eo amin’ny vahoaka sy ny APMF

0

Tsy mbola milamina ny disadisa eo amin’ny vahoaka sy ny APMF manoloana ny fanitarana ny seranan-tsambo ao Ankify Ambanja. Tsy nanaja ny nifanarahana ny tomponandraikitra hoy ireo vahoaka, tsy misy resaka fanonerana ho an’ireo trano arodana. Manoloana izany, tsy manaiky ny hiala ireo mponina manamorina ny seranan-tsambo.