Fankalazana ny andron’ny vehivavy : notontosaina tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana

0

08 Martsa 2020. Ankalazaina manerantany androany ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Ho antsika teto Madagasikara, tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana no nanamarihina izany. Fiovana azo tsapain-tanana eto amin’ny firenena, vokatry ny ezaky ny vehivavy Malagasy no andrandraina hoy ny vadin’ny Filohan’ny Repoblikan’I Madagasikara , Mialy Rajoelina .