Fanomezana fahaleovantena ny CENI : Atao izay tsy hahatontosa izany

0

Nolazain’ny Praiminisitra fa tsy azo raisina ho dinihina ny tolo-dalàna laharana faha : 002 – 2017 ho fanatsarana sy ho fanomezana fahaleovantena ny CENI, dia naverin’ny komisionan’ny lalàna eny amin’ny Antenimierampirenena ho tapahin’ny fivoriambe na azo dinihina ihany io lalàna io na tsia ny tolakandro . Misy mahatsiaro ho sahirana ve raha manana fahaleovantena marina ny CENI rahampitso na rahafakampitso?