Fanondranana antsokosoko ny andramena sy voamboana : voafaritra ny sazy

0

Tamin’ny faha 22 febroary farany teo no nivoaka tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny Didy fampiharana ilay lalàna entina hananganana ny Chaine Spéciale hiadiana amin’ny fanondranana antsokosoko ny andramena sy ny voamboana, dia ny lalàna laharana 2015 –  056  nolaniana teny amin’ny Antenimieram-pirenana tamin’ny 17 mai 2015. Voafaritra ao anatin’ity lalàna ity ny sazy izay asa an-terivozona 10 ka hatramin’ny 20 taona, ary lamandy  50 tapitrisa ka hatramin’ny 500 tapitrisa ariary.