Fanorenana manoloana EPP Behoririka : tsy ara-dalàna

0

Maro ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fanorenana trano etsy amin’ny EPP Behoririka; araka ny fidinana teny an-toerana nataon’ny teo anivon’ny fitsarana momba ny ady atao amin’ny fanjakana, niarahana tamin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy, sy ny solontenan’ny kaominina Antananarivo io maraina io. Niakatra fampanoavana androany ihany koa ity raharaha ity.