Fanorenana tsy ara-dalàna : nandefasana taratasy fampitsaharana ny asa

0

Toerana maro misy fanorenana tsy ara-dalàna eto an-drenivohitra no namoahan’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy « notification de scellage », na fanakantonana sy fampitsaharana ny asa rehetra. Isan’izany ny fotodrafitr’asa eny amin’ny Arboretum Ambatobe, EPP Nanisana sy ny maro hafa.