Faritra atsimon’ny nosy : hamafisina ny ady amin’ny kere

0

Hamafisina ny fitadiavam-bahaolana amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina any amin’ny tapany atsimon’ny nosy. Izay no nisongadina nandritra ny fivoriana niarahan’ny fanjakana malagasy, ireo masoivoho sy ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola amin’i Madagasikara, teny amin’ny lapam-panjakana  Iavoloha. Noresahana nandritra izany ihany koa ny fanaovana vakisiny sy ny fandraisana anjaran’ny firenena amin’ny COP 26.