Miroso ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanjakana manakaiky vahoaka eto Madagasikara. Izay no azo itarafana ny fankatoavan’ny filankevitry ny minisitra ny volavolan-dalàna mahakasika ny fametrahana ny faritra faha-23. Tokony anaty fifampiresahana hatrany ankilany ny firosoana amin’izay, hoy ny solombavambahoaka no sady mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana.