Accueil Politique Feo miparitaka : andrasana ny hisokafan’ny fanadihadiana

Feo miparitaka : andrasana ny hisokafan’ny fanadihadiana

0
Feo miparitaka : andrasana ny hisokafan’ny fanadihadiana

Azo adika ho tsy voafehy sy tsy voaharo na ihany koa hiniana avoaka ny feo mirakitra ny resaka nataon’ny filoham-pirenena tamin’ireo minisitra 2 taorian’ny rahaharaha tee-shirt miloko volomboasary tany Sambava, raha ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika Rivo RAKOTOVAO. Andrasana hatreto ny hisian’ny fandraisana fepetra sy ny fanokafana ny fanadihadiana hamantarana ny tompon’antoka manoloana izay. Etsy ankilany, ahiana hiteraka voka-dratsy sy hampisy korontana ny tranga toy ireny hoy ny mpandinika politika RANDRIANARIJAONA Rado.